mardi 4 janvier 2022

FANOSORANA MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara

 "... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".


NY SAOTRA, NY DERA, NY FAHENDRENA, NY HERY, NY LAZA, NY TANJAKA ary NY VONINAHITRA, HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY 


satria vita soamantsara NY FANOSORONA MPANJAKA nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny Taona 2015, 

araka ireo TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY izay MI-ISA FITO, tao anaty DINGANA FITO nandritra ny TAONA MARO nanomboka tamin'ny Taona 1996, ho an' 


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Andriandahy, Andriandray Andriandreny,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara,


araka ny Hafatr' ireo Razambe Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMARA (c.1000 AD), Ny Masina Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan'Imerina (c.1280-1300 AD) ary Ny Masina Mpanjaka RALAMBO (c.1575-1600 AD), ary tsy maintsy avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, ao AVARADRANO ZOKIN' IMERINA,


avy amin' Ny Masina Mpanjaka Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA Lahimatoan'Imerina, Tompon' ny Tranomanara, Tranofohiloha sy Tranomasina, ao amin' ny Rova Ambohimalazabe, ary avy amin' Ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA izay nanorina ny Rova Antananarivo, samy avy ao Avaradrano Zokin' Imerina,



izay nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY teo anatrehan'ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana sady Vavolombelona tao amin'ny ROVA AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA, ao Avaradrano Zokin' Imerina.


Tao anatin' ireo DINGANA FITO nandritra ny Taona maro ireo :


1 - Ny TENY FIKASAN ILAY MPAHARY NY ANITRA SY NY TANY izay nolazainy mivantana tamin' ny Andriana Raiamandreny am-panahy, Zokiolona indrindra (1918-1998) ny Toby Ankaramalaza, efa nampiakariny im-pito tany an-danitra fahiny, ary  nambàrany tamin' ny Desambra 1996,  


2 - Ny FANDRAISANA ANJARA GOAVANA tamin' ny FAMERENENA NY FANDRIAMPAHALEMANA, mba tsy hisian' ny FAMONOANA OLONA FAOBE, tamin' ny FAMAHANA ny KRIZY POLITIKA sy ny ADY NIARAKA TAMIN NY BASY AMAN-TAFONDRO, izay nisy Malagasy an-tapitrisa natao Fahirano sy nijaly, nisy Malagasy an-jatony nampijaliana na naratra na natao takalon' aina na maty notifirina,  tamin' ny Taona 2002.


3 - Ny FAMETRAHA-TANANA SY TSO-DRANO MANOKANA nataon' Ny Andriana Raiamandreny am-panahy Armand Gaetan Razafindratandra (1925-2010), avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Zokiolona indrindra ary Raiamandreny am-panahy ny Fianakaviambe' ny Andriana eto Madagasikara, tamin' ny Jolay 2007. 


 4 - Ny FANAMAFISANA NY TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY tamin' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy Zokiolona indrindra, 90 Taona mahery (1924-2017) tamin' ny Toby Namahanambasy Ambohitompoina Farihimena, izay nampiakarin' Ilay Mpahary in-telo tany an-danitra fahiny, izay nambarany tamin' ny Taona 2012-2015. 


5 - NY FANAMAFISANA NY TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY tamin' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy Zokiolona indrindra ankehitriny (teraka tamin' ny Taona 1932 ary nanomoka niasa tamin' ny Taona 1950) amin' ny Toby Ankaramalaza sady Zokiolona indrindra amin' ny Toby Manolotrony, ary nolazainy tamin' ny taona 2009 sy 2010.


6 - Marika ny FANATREHANA, ny FANKATOAVANA sy ny FANKASITRAHANA ary ny TSODRANO nataon'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY Ilay FAHAZAVANA LEHIBE sy MAHERY nidina avy any an-danitra tamin'izany FANOSORANA MPANJAKA teo amin' ny Rova Ambohidrabiby Hasin'Imerina tamin' ny Taona 2015 ary tonga teo aminy naharitra ela, teo anatrehan' ireo Zanakandriana vavolombelona nanatrika izany. FAHAZAVANA LEHIBE sy MAHERY izay AVO FOLO HENY NOHO NY FAHAZAVAN' NY MASOANDRO niposaka maraina avy any Atsinanana, tamin' io fotoana io.


Tsy olombelona mpanota no miantso sy mifidy sy manendry ary mampanao ny Fanosorana Mpanjaka, fa ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY izay mametraka marika sy Famantarana hita maso tsy hain' ny olombelona halain-tahaka !


7 - Ny FAMINDRANA ZAKA SY FANDOVANA FANJAKANA ARY NY FANOMEZANA NY TEHIM-PANJAKANA nataon' Ny Andriana RALITERA Etienne tamin' Ny Andriana RABARIOELINA Ndriana, Lehien' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, teo anatrehan' IREO ANDRIANDEHIBE ZOKIOLONA FOTSY VOLO AMIN' NY TANY sy IREO FILOHAN' NY FIKAMBANANA ANDRIANA MERINA  ary Ny Ndregnony RAMAHASITRAKARIVO Ampanjaka Be ANTEMORO sy ireo AMPANJAKA Solontena avy any amin' ny Faritra sy ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana.


Marihina fa NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA dia efa nihaona tamin'ny MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY avy amin'ny FIRENENA MARO, TANY IVELAN' I MADAGASIKARA, ary EFA NANTSOINA HITARIKA IREO MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY tany am-pitandranomasina raha nihaona tamin' ny Filoham-pirenena avy any Amerika, Afrika, Europa, ary Afovoany-Atsinanana.


"... MITSANGANA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO...".


"... SAMBATRA IANAO, RY TANY, REHEFA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


"...HO TAHIANA IZAY MANISY SOA ANAO, FA VOAOZONA IZAY MANAO RATSY ANAO...".


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA, MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Ambohidrabiby Hasin'Imerina, Vohitra masina,

Avaradrano Zokin' Imerina, 

Septambra 2015. 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire