dimanche 24 mai 2020

NY FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA DIA TSY MANKASITRAKA NY FAMETRAHANA COLISEUM AO ANATIROVA

FANAMBARANA : 
Ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina sady Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa Ny Rova Antananarivo manontolo dia Toerana Masina ary ny Fanarenana ny Rova Antananarivo izay misy ireo Lapan' Andriana rehetra tao (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Manampisoa, Lapa Tsarahafatra, Lapa Manjakatsiroa, Lapa Manjakahavana, Lapa Rarihasina, Lapa Rarisambo, Lapa Tsiazompaniry,  sy ireo Lapan' Andriana sy Tranon' Andriana hafa rehetra) dia
tokony manaraka ny Soatoavina sy ny Fomba ary ny Kolotsaina Andriana Merina ary tokony haverina amin' ny endriny ivelany sy anatiny taloha izy ireo, ary tsy hampiana zavatra hafa. Tsy mila Coliseum romain na Ascenceur.
Ny tsy Fanarahana izany dia miteraka ozona sy zava-doza eo amin' ny firenena. 
Koa atsipy ny teny ho an' ny olokendry sy ny manamanahy ary ny tsy maty eritreritra.

Tany Masina i Madagasikara !

Ho an' Ilay Mpahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-15 Febroary 2020.

Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.