dimanche 27 septembre 2015

Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA)



Ny Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA) dia Fiombonamben' ny Fikambanan'Andriana amin' ny Foko manerana an’i Madagasikara.

1) Ny Prince Dr. Ndriana Rabarioelina sy Ny Andriana Pasitera Tolotra Ratefy, Andriandahy andriandray andriandreny, samy avy amin' ny Mpanjaka-Mpisorona Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina sy ny Mpanjaka Andrianjaka, ary ao Avaradrano Zokin' Imerina, araka ny hafatry ny Masina Mpanjaka Andriamanelo sy ny Masina Mpanjaka Ralambo razambe,

 no mpanorina ny Fiombonambe TAMIMA, andro iray taoriana ny Fandoroan' ireo ratsy fanahy ny Rovan'Antananarivo nisy ny Lapa Besakana, ny Lapa Mahitsielafanjaka, ny Lapa Tranovola, ny Lapa Manjakamiadana, ary ny Tempoly Anatirova, ny 06 novambra 1995.


2) Avy eo dia niaraka nivory Ny Andriana Blaise Rabetafika, Ny Andriana Émile Ramarosaona, Ny Andriana M. Razafindrakoto, Ny Andriana J. Andriamanohy, Ny Andriana R. Rasoloarivony ary Ny Andriana Ndriana Rabarioelina, isan-kerinandro na roa erinandro raha ela indrindra ny Taona 1995-2000.

 
3) Avy eo Ny Andriana Ndriana Rabarioelina sy Ny Andriana Pastora Tolotra Ratefy, Raiamandreny mirahalahy mpanorona ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara,  dia niantso Ny Andriana Etienne Ralitera, avy amin' ny Mpanjaka-Mpisorona Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina sy ny Mpanjaka Andrianjaka ihany koa, ho Filohan' ny TAMIMA tamin' ny Taona 2001.


3) Taty aoriana, ireo raiamandreny telo mirahalahy ireo dia niantso ireo Fikambanan'Andriana maro eto Imerina Eni-Toko mijoro ara-dalàna sy ara-drazana (Andriantompokoindrindra, Zanadralambo amin’Andrianjaka, Andrianamboninolona, Andriandranando, Andriamasinavalona, Andriamamilaza, Hasin'Ivakinankaratra, sns…) sy ireo Fikambanan'Andriana maro manerana an'i Madagasikara (Antakarana, Betsimisaraka, Bezanozano, Antemoro, Antambahoaka, Antanala, Antefasy, Zafisoro, Antesaka, Antemambondro, Betsileo, Bara, Antanosy, Mahafaly, Sakalava, ...sns). 

Ny Andriana Etienne Ralitera no Raiamandreny Filoha voalohany ofisialy ny Fikambanana TAMIMA (2003-2015).


4) Ny Fanosorana ny Mpanjaka Ndriana Rabarioelina, tahaka ny natao tamin' ny Mpanjaka Davida, dia natao teny amin' ny Rova Ambohidrabiby Hasin' Imerina, tamin' ny volana septambra 2015, 

araka ny Teny Fikasan' Andriamanitra izay nolazainy tamin' ireo Andriana Zokiolona Fotsy Volo amin' ny tany, teraka tamin' ny Taona 1913, 1918, 1919, 1920, 1924, 1925, 1932.

Nisy Fahazavana lehibe nidina avy any an-danitra tonga teo amin' ny Mpanjaka Ndriana Rabarioelina tamin' ny fotoana Fanosorana azy ho Mpanjaka. Ary Fahazavana avo folo heny noho ny Fahazavan' ny masoandro niposaka avy any Atsinanana tamin' io fotoana Io.

Izany Fanosorana ny Mpanjaka Ndriana Rabarioelina izany dia tontosa erinandro mialoha ny Famindrana Zaka sy Famindra-pahefana ary ny Fanomezana ny Tehi-panjakana ho azy teo anivon' ny Fiombonambe TAMIMA.


5) Nanomboka ny 26 Septambra 2015, Ny Andriana Etienne Ralitera dia nanao ny Famindra-pahefana tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Docteur en Théologie, Mpanorina ny Fiombonambe TAMIMA, izay  Raiamandreny Filohan' ny Fiombonambe TAMIMA mandraka ankehitriny.

Teo anatrehan' Andriamanitra Andriananahary sy ireo Andriandehibe Zokiolona fotsy volo, ireo Andriana Filohan' ny Fikambanan' Andriana eto Imerina Eni-Toko ary ny Ampanjaka Antemoro Anteony Ndrenogny Ramahasitrakarivo Martin avy ao amin' ny Lapa Fenovola Ivato-Vohipeno, ny Ampanjaka Mahafaly Lazamana, ny Ampanjaka Sakalava Zalifa Bente Salim, sy ny solontenan' ireo Ampanjaka avy any anindrantany manerana ny Nosy, no nanaovana izany famindra-pahefana izany.


6) Nanomboka tamin' ny Taona 1995 dia efa nisy ary misy hatrany ny Fihaonana manokana sy matetika amin' ny Ny Andriana Ndriana Rabarioelina Lehiben' ny Fiombonambe TAMIMA 

miaraka amin'ireo Ampanjaka manerana an'i Madagasikara (Betsimisaraka, Bezanozano, Antambahoaka, Antemoro, Antefasy, Antesaka, Zafisoro, Betsileo, Bara, Antanosy, Antandroy, Mahafaly, Sakalava, Antakarana, ...) sy ny Sojabe Tsimihety ary ny Zokiolona Sihanaka, tahaka ny Fihaonana nataon'ireo razambe Mpanjaka sy Ampanjaka manerana ny Nosy Madagasikara, efa nandritra ny arivo taona maro, ho mariky ny Fihavanana sy ny Fifankatiavana ary ny Firaisankina.


7) Ny Andriana Etienne Ralitera, izay lasa Filoham-Boninahitra ny Fiombonambe TAMIMA, dia efa nihaona tamin' ny Prince Albert de Monaco, ny Sekretera Jeneraly ny Firenena Mikambana Kofi Annan, ary ny mpandimby azy dia ny Sekretera Jeneraly ny Firenena Mikambana Ban Ki-Moon.


 8) Ny Mpanjaka Ndriana Rabarioelina, izay nandimby azy, dia efa nihaona manokana tamin' ny Mpanjaka sy Ampanjaka vahiny mi-isa zato mahery sy Filohan' ny Repoblika dimy vahiny (Europe, Afrika, Asia, Amerika, Moyen-Orient) tany amin' ny firenena maro, ivelan' i Madagasikara. 


9) Ny Tanjon' ny Fiombonambe TAMIMA dia :
- ny Fanamafisana ny Fihavanana,
- ny Fiarovana ny Firaisam-pirenena,
- ny Fikajiana ny Soatoavina sy ny Kolotsaina ary ny Hasina,
- ny Fanarenana sy ny Fampandrosoana, amin' ny lafiny rehetra, ny tanindrazana ny firenena manontolo izay nantsoin' Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany ho Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina.


10) Ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka eto Madagasikara sy ny Antenimieran’ ny Andriana misy ireo Andriana Filoha na Andriana Zokiolona avy amin’ Fikambanan’ Andriana mijoro ara-dalàna sy ara-drazana eto Imerina sy manerana ny Nosy dia efa ao anatin’ ny rafitra ny Fiombonambe TAMIMA nanomboka ny Taona 2010. 

Ny Fiombonambe TAMIMA dia Fikambanana mijoro ara-dalàna ary manana Birao Foibe, Komity Foibe, Komitin' ny Zokiolona Roambinifolo. Ireo ihany no mikarakara ny raharahan' ny Fikambanana. 


Koa raisina an-tanandroa hatrany izay Fikambanan'Andriana, mahafeno ny Fepetra, vonona hiditra ao anatin’ ny Fiombonambe ka mankatoa an’ Andriamanitra Andriananahary, mandeha amin’ ny Fahamarinana , tia tanindrazana, miaro ny Firaisankina ary vonona hampandroso ny firenena.

Masina i Madagasikara !


Dia Ho an'i ZANAHARY, ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra !


Antananarivo, Vohitra Masina, faha-21 Aogositra 2017.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben’ ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara.