dimanche 12 février 2023

FANAMBARANA AVY AMIN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA LEHIBEN' NY FIOMBONAMBE TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA

 Ny Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA) dia:


1. Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA sy ny Andriana Pastora Tolotra RATEFY, Zanakandriana, samy avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, no namorona azy, andro iray taorian' ny  nahamay ny Rova Antananarivo tamin' ny 06 Novambra 1995, vokatry ny Fihaonan' izy ireo sy ho Fanohizana ny Fihavanana sy ny Firaisankina efa nisy nandritra ny arivo taona maro teo amin' ireo Ampanjaka sy Andriana manerana ny Nosy.


2. Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA no nitety an'i Madagasikara nanomboka ny taona 1995 mandraka ankehitriny, vokatry ny Hafatra napetrak' Andriamanitra sy ny Hafatra napetrak ireo Mpanjaka razambe fahiny, ho Fanamafisana ny Firaisankina an' ireo tena Ampanjaka sy ny Andriana manerana ny Nosy.


3. Niaraka nivory isan-kerinandro na isan-tapabolana raha ela indrindra Ny Andriana Blaise RABETAFIKA, Ny Andriana Émile RAMAROSAONA, Ny Andriana M. RAZAFINDRAKOTO, Ny Andriana J. ANDRIAMANOHY, Ny Andriana R. RASOLOARIVONY, ary Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA vokatr' izany nanomboka tamin' ny Taona 1995 ka hatramin' ny Taona 2000.


4. Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA sy Ny Andriana Pasteur Tolotra RATEFY dia niantso Ny Andriana Etienne RALITERA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, mba hitarika ny Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA tamin' ny Taona 2001. 


Ny Andriana Pasteur Tolotra RATEFY no Raiamandreny ara-panahy ary Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA no Sekretera Jeneraly ny Fiombonambe TAMIMA.


5. Ny Andriana Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA (1925-2010) no NAMETRA-TÀNANA sy NITSODRANO an' Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA amin' ny Adidy Masina sy Andraikitra lehibe izay ho hataony manaraka efa tamin' ny Taona 2007, araka ny Fanomanana izay nolazain' Ny Andriana Etienne RALITERA mialoha handimby azy.


6. Ny Fanosorana ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, dia natao teo amin' ny Rova Ambohidrabiby Hasin' Imerina tamin' ny volana Septambra 2015, teo anatrehan' ireo Zanakandriana nantsoina manokana tamin' izany, ary nisy Fahazavana Lehibe avy an-danitra, izay nazava avo folo heny noho ny Fahazavan' ny Masoandro niposaka avy any Atsinanana tamin' io fotoana io.


Tsy olombelona mpanota no nifidy sy nanendry ary nampanao ny Fanosorona Mpanjaka fa Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany,  tahaka ny Mpanjaka Davida, ary araka ny Teny Fikasan' Andriamanitra izay nolazainy mialoha ela be tamin' ireo Andriana Zokiolona Raiamandreny Fotsy volo amin' ny Tany, teraka tamin' ny Taona 1913, 1915, 1918, 1924, 1925 1932, ary tsy nisy nifampiresaka mialoha.


7. Ny Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA) dia Fikambanana mijoro ara-dalàna ary mana Birao Foibe, Komity Foibe, ary Komitin' ny Zokiolona Andriandahy Roambonifolo. Tsy azon' olon-kafa ivelan' ireo ny mitsabaka ny raharahan' ny Fikambanana.

Ary erinandro taorian' ny Fanosorana Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA tao Ambohidrabiby Hasin ' Imerina no voatendry ho Lehiben' ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara (TAMIMA) izy.

Ary natao ny Famindrana Zaka sy natao Famindram-pahefana sy ny Fanomezana azy ny Tehi-panjakana amin' ny maha Lehiben' ny Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA, teo anatrehan' ireo Andriana Zokiolona Fotsy volo amin' ny Tany sy ireo Andriana Lehiben' ny Fikambanana Andriana eto Imerina Enitoko ary Ny Ndrenogny na Ampanjaka bé Antemoro Anteony sy ireo Ampanjaka sy Zanakandriana solontena avy amin' ny lafo valon' ny Nosy, tamin' ny volana Septambra 2015.


TANY MASINA I MADAGASIKARA! 


"... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA TENA ANDRIANA...".


"... NY MPANJAKA LAHY DIA MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA LAHY DIA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA...".



Antananarivo vohitra masina,

Taona Sabotsy, Sabotsy 12 Febroary 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,

Lehiben' ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara.