dimanche 3 novembre 2024

FANANDRATANA NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper (01 Nov 2024)

Noho ny FITAHIAN' I ZANAHARY dia vita Soa aman-tsara ny FANANDRATANA 

Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper,

Ampanjaka be ny Fanjakana Antemoro,

any Atsimo Atsinanana an'i Madagasikara.


Izy moa dia nandimby ny zokiny Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Marc Brillant izay niamboho. 


Ny Fanjakana Antemoro dia nanomboka tamin' ny taona 1336 AD ary mitohy tsy tapaka mandraka ankehitriny.

Marihina fa avy amin' ny Fanjakana Antemoro no nipoiran' ireo Ampanjaka amin'ny Foko maro eto Madagasikara, tahaka ireo Ampanjaka Antagnala, Betsileo, Sakalava ary Antakarana.


Nisy vahiny nasaina mi-isa ARIVO mahery (+1000) no tonga manotrona izao Fanandratana

 Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper izao, ary singanina manokana amin' izany :


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara,


Ary ireo Ampanjaka maro amin' ny Fanjakana Antemoro.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nanao Fanomezana manokana sy nanolotra Boky Masina milaza Tantara 6000 Taona mahery mikasika ny Razamben' ny Foko Merina sy ny Foko Antemoro ho an' Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper.


"... MITSANGATSANGANA, MIHAZAVA FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO..." (Isaiah 60 :1).


DIA HO AN' I ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Ivato Vohipeno, Vohitra Masina,

Taona Alatsinainy, Zoma 01 Novambra 2024.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara.




dimanche 1 septembre 2024

FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY 6024 !


SAMBASAMBA ZANAHARY !

ARAHABAINA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY  6024!

HO HAMBININ-JAVA MANASATRA!

SAMY HO TONGA AMIN' NY TANJONA IRIANY NY TSIRAIRAY!

TRARANTITRA AZA MAROFY SY HO VELONA ISIKA REHETRA !

ARY HO ARIVO TRATRY NY TAONA MITSINGERINA INDRAY!

DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Vita soa aman-tsara teny Anerinerina Vohitra Masina,  toerana avo noho ny Vohitra Masina Ambohidrabiby Hasin' Imerina sy Anatirova Antananarivo, ny Fankalazana an'

 ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny TAOMBAOVAO MALAGASY ny Taona Alahady, Tsinambolana ny volana voalohany, faha-01 Abib (Marsa-Aprily) 6024! 


Ny Andriana Rakotomamonjy Aimant no nitondra ny HAFATR' ANDRIAMANITRA hoe:

"... AMINAO NO HITAHINA NY FIRENENA REHETRA..." (Fiandohana 12:2)

Ary nanamafy fa amin'ny alàlan' Ny MPANJAKA LAHY, Andriandray Andriandreny matahotra sy mankatoa an' ANDRIAMANITRA no hitahin' ANDRIAMANITRA ny Firenena, fa tsy amin' ny alalan' ireo mpanao politika mpanao kolikoly sy mpangalatra ary mpamotika Firenena. 


Taorian' izay dia nisy ny TATAO niaraka tamin' ny VARY TONDRAHAN-DRONONO SY TANTELY nozaraina tamin' ireo mpanatrika ary ny TSODRANO nataon' ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA.


Nisy ihany koa ny Fizarana ny TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA (Taloha, Ankehitriny, ho Avy) ary mampiomana ny Taranaka Andriana amin' izany.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Anerinerina, Vohitra Masina,

Avaradrano Zokin' Imerina, Madagasikara, 

Tsinambolana, faha-01 Abib (Marsa-Aprily) 6024.


Hoy Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben'ny FIOMBONAMBE TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA).