dimanche 11 octobre 2026

NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA: FAHAGAGANA ATAON' ANDRIAMANITRA !

  NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA: FIJOROANA VAVOLOMBELONA 

AMIN' NY FAHAGAGANA ATAON' ANDRIAMANITRA SY NY VALIM-BAVAKA:


1) Lehilahy iray voan' ny cancer métastase efa niparitaka any amin' ny taolana, narary sy nijaly mafy andro aman'alina, efa tsy afaka nitsangana intsony, no nentinay am-bavaka ary sitrana tanteraka afaka roa volana.


2) Ramatoa narary mafy voan' ny Accident vasculaire cérébrale (AVC), efa tsy mihetsika intsony ny ilany havia rehetra, ny tarehiny, ny vatany ka hatrany amin' ny tongony havia, no nentiko am-bavaka sy nametrahako tànana tao amin' ny Hopitaly Isoavinandriana, no sitrana afaka nitsangana sy nandeha indray, afaka andro vitsy.


3) Lehilahy voan' ny occlusion intestinale sy perforation gastrique, tao amin' ny Clinique Ambodivona ary voatery nentina tao amin' ny Urgence Hopitaly Ampefiloha, no nentiko am-bavaka sy nametrahako tànana tao amin' ny Urgence ary sitrana teo noho eo.


4) Dokotera malaza iray, mpitsabo olona amin' ny zava-maniry, akaikin' Ambositra sy Fandriana, no narary mafy ny tongony sy efa nivoaka nàna ny lohaliny, nangata-bavaka an-telefonina, no sitrana afaka 10 minitra.


5) Lehilahy sy vehivavy lehibe, izay samy narary mafy, tamin' ny toerana roa samy hafa tany Farafangana, tsy nentiko am-bavaka na nametrahako tànana fa nanambarako ny Famonjen' Andriamanitra, no sitrana teo noho eo.


6) Olona miisa zato mahery, izay natao takalon'aina sy nampijaliana tao Vohibinany (Brickaville) nandritra ny iray volana mahry, tamin' ny ady amin' ny basy aman-tafondro, no tafavoaka sy afaka nody tany an-tranony afaka andro vitsy (taona 2002).


7) Fisakànana ny fanotofana 1.000 hektara tanimbary teny Ambohitrimanjaka, izay iasan' ny 60.000 tantsaha amin' ny Kominina miisa enina (Ambohitrinimanjaka, Ambohidrapeto, Fiadanana, ...) ary mamelona 600.000 vahoaka malagasy teto Antananarivo. Valim-bavaka sy vokatry ny asa natao: Nafindra any amin' ny toeran-kafa ilay Tetikasa Tanamasoandro.


Hoy JESOSY KRISTY ZANAK'ANDRIAMANITRA: "...NY ZAVATRA REHETRA DIA HAIN' ANDRIAMANITRA..." (Matio 19:27).


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo vohitra masina,

Alahady 27 Septambra 2026.


Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Mpiandry Zanaka Toby Ankaramalaza (1991),

Docteur en Théologie (PhD, DTheol, USA),


Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.




HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA MALAGASY (Septambra 2026)

  HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA MALAGASY

izay nampitondrain' ANDRIAMANITRA tamin' i Mama Volahavana Germaine Nenilava (1918-1998), Taranaka Ampanjaka Antemoro, Raiamandreny ara-panahy, Tobilehibe Ankaramalaza, nahay Tenim-pirenena roambinifolo, efa maty im-pito sy efa nampiakarin' Andriamanitra im-pito tany an-danitra, nampahafantarin' Andriamanitra ny Tantara miafin' i Madagasikara (Taloha, Ankehitriny, Ho Avy), Mpaminany ho an' ny firenena, hoe :


"...HO HAJORON' ANDRIAMANITRA ETO MADAGASIKARA NY FANJAKA-PISORONA SY NY FIRENENA MASINA 

ARY NY SITRAPON' ANDRIAMANITRA NO HATAO ETO FA TSY NY SITRAPON' OLOMBELONA

ARY MADAGASIKARA HO LASA FIRENENA MAHERY, HO LOHANY FA TSY HO RAMBONY, HO AMBONY FA TSY AMBANY, ARY HAMPINDRANA FA TSY HINDRANA INTSONY...".


Ny Fanjaka-Pisorona dia mankatoa an' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, ary manaja ny Raiamandreny ara-drazana (Mpanjaka, Ampanjaka, Sojabe, Zokiolona...), ny Ain' Olombelona, ny Fihavanana, ny Fifankatavana, ny Fahamarinana, ny Tontolo Iainana, ny Fahaleovatenam-pirenena ary ny Fiandrianam-pirenena, 

Ny Fanjaka-Pisorona dia Fanjakana Malagasy, izay misy ihany koa ny Filankevitry ny Mpisorona, fa tsy rafitra repoblikana, laika, demokratika intsony, izay napetraky ny vazaha mpanjanantany nentina nanapotehina ny soatoavina sy ny kolotsaina malagasy sy nampahantrana ny vahoaka malagasy ary nentina nandrobana ny harem-pirenena ho an' ny vahiny.

Fanambarana natao ho an' ny Firenena Malagasy, izay tao amin' ny Lapa Iavoloha, teo anatrehan' ny Filohan' ny Fanavaozana sy ireo Raiamandreny ara-panahy ary Raiamandreny ara-drazana.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo vohitra masina, faha-08 Septambra 2026.


Hoy Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


Fanamarihana: 

Ny Fanjaka-Pisorona dia ny Fanjakan' Andriamanitra midina eto Madagasikara: "...ATAO ANIE NY SITRAPONAO ETY AN-TANY TAHAKA NY ANY AN-DANITRA...".