FANAMBARANA:
Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara (TAMIMA)
lundi 27 juillet 2026
FANAMBARANA MIKAIKA NY FANDRIAMPAHALEMANA ETO MADAGASIKARA (2026)
FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2026
ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2026!
SAMBASAMBA ZANAHARY!
SAMY HAHAZO IZAY IRIANY NY TSIRAIRAY!
HO HEMPOKY NY SOA SY NY TSARA INDRINDRA!
TRARANTITRA AZA MAROFY!
HO TAHIN'ANDRIAMANITRA HATRANY!
ARY SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY!
DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!
Vita soa aman-tsara ny Fankalazana an'ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, tao Antananarivo Vohitra Masina, misy ny Mpanjaka ANDRIANJAKA namorona ny Rova Antananarivo (1600-1610 AD).
Ireo TENIN' ANDRIAMANITRA nomeny tamin' izany Fankalazana ny TAOMBAOVAO MALAGASY izany dia hoe:
. "...ITY VOLANA ITY NO VOLANA VOALOHANY HO ANAREO, DIA NY VOLANA VOALOHANY AMIN' NY TAONA HO ANAREO..." (Eksodosy 12:2).
. JESOSY KRISTY: " MPANJAKAN NY MPANJAKA SY TOMPON NY TOMPO" (Apokalypsy 19:16).
. Hoy JESOSY KRISTY: "...EFA NOMENA AHY NY FAHEFANA REHETRA ANY AN-DANITRA SY ETY AN-TANY..." (Matio 28:18).
. "...KOA MIHOATRA NHO NY MPANDRESY ISIKA MIARAKA AMIN' ILAY TIA ANTSIKA (JESOSY KRISTY) ... (Romana 8:31).
. Ny Andriana ANDRIAMBOAVONJY Naina, Master 2 en Théologie, Solo Mpitandrina FJKM, avy amin' Ny Andriamasinavalona, no nitondra ny Hafatr' ANDRIAMANITRA araka ireo voalaza ireo.
. Ny Andriana RAMANANTSOA Jean Baptiste, avy amin' Ny Andrianamboninolona ao Ambovona akaikin' i Vilihazo sy Fihaferana, Raiamandreny ny Toby Fifohazana Fiombonana (FFKM), Manarintsoa Namehana, Antananarivo Avaradrano, dia nanazava mikasika izany Toby Fifohazana izany izay nataon' ANDRIAMANITRA ho Firaisan' ireo Mpiandry FJKM, FLM, EEM, ary Katolika (FFKM), araka ny TENIN' I JESOSY KRISTY hoe "...MBA HO IRAY IHANY IZY REHETRA..." (Jaona 17:21).
. Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nanazava mikasika ny TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA dia ireo Foko rehetra (Merina, Antakarana, Betsimisaraka, Sihanaka, Bezanozano, Antambahoaka, Antemoro, Tagnala, Betsileo, Bara, Antefasy, Antesaka, Zafisoro, Tanosy, Tandroy, Mahafaly, Masikoro, Vezo, Sakalava, Tsimihety) eto Madagasikara avy amin' ny ZANAK' ISRAEL ROAMBINIFOLO.
. Nisy ihany koa ny TATAO (Fihinanana VARY TONDRAHAN-DRONONO SY TANTELY) izay fomba fanaon' ireo Razambe Zanak' Israel fahiny raha niala avy any Egypta tamin' ny taona 1446 BC sy namakivaky ny Efitra Sinai nandritra ny 40 Taona (1446 BC-1046 BC), ka niditra tany Kanana sy ISRAEL tamin' ny taona 1046 BC.
. Ny Andriana RAZAFINDRAKOTO Regis, 88 taona mahery, Zanadralambo amin' ny Andrianjaka, avy ao Manandriana Avaradrano, Raiamandreny Zokiolona ao amin' ny Komitin' ny Zokiolona Fianakaviamben' ny Andriana Merina, dia namoaka Boky mitondra ny lohateny hoe "NY FIHAVIAN' NY MALAGASY ARAKA NY BAIBOLY" (156 pejy).
. Tonga nanatrika izany Lanonana izany ireo Andriana ao anaty Fianakaviamben' ny Andriana Merina, Solontena avy amin' Imerina Enitoko sy ireo Andriana nasaina manokana avy eto Madagasikara sy avy any am-pitandranomasina tamin' izany.
DIA HO AN ' ANDRIAMANITRA, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!
Antananarivo Vohitra Masina, Fanjakana Merina,
Taona Alarobia, Sabotsy 25 Aprily 2026.
Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.
Fanamarihana:
Iray ihany ny TAOMBAOVAO MALAGASY dia ny Tsinambolana ny volana Abib (Mars-April) araka ny Tenin' YHWH, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, Ilay Avo Indrindra, Ilay Tsitoha, ao amin' ny Boky Exode 12:2.
jeudi 17 avril 2025
FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2025
SAMBASAMBA ZANAHARY!
ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY!
SAMY HAHAZO IZAY IRIANY NY TSIRAIRAY!
HO HEMPOKY NY SOA SY NY TSARA INDRINDRA!
TRARANTITRA AZA MAROFY!
HO TAHIN'ANDRIAMANITRA HATRANY!
ARY SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY!
DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!
Vita soa aman-tsara ny Fankalazana an'ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny Tsinam-bolana nyvolana Abib na Nissan (Marsa-Aprily) teNy ANERINERINA Vohitra Masina, misy ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan' Imerina (1260-1300 AD).
Anerinerina Vohitra Masina, Fanjakana Merina,
Taona Talata, Sabotsy 29 Mars 6025.
Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.
Lehiben' ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara.
samedi 18 janvier 2025
NY ANDRIANA DIA FADY OSY, KISOA, VOALAVO, ALIKA
".... Fa FIRENENA MASINA ho an'i YHWH ANDRIAMANITRAO ianao ka VOAFIDINY ho RAKITRA SOA ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
Aza mihinana izay fahavetavetana..."
(Deotoronomia 14 :2-3).
"...ary ny KISOA koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan' ireny TSY HO FIHINANAREO ary ny fatiny tsy hokasihinareo..." (Deotoronomia 14:8).
"...Ary mihinana ny henan-KISOA sy ny ZAVA-BETAVETA ary ny VOALAVO; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy YHWH..." (Isaiah 66:17).
"... ny OSY LAHY natao Fanatitra ho an' ny ota..." (2 Tantara 2:23).
"...Aza omena ny ALIKA izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny KISOA ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo..." (Matio 7:6).
DIA HO AN' ANDRIAMANITRA, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !
Antananarivo Vohitra Masina,
Taona Alatsinainy, Sabotsy 4 Janoary 2025.
Hoy:
Ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.
(C) Copyright
dimanche 3 novembre 2024
FANANDRATANA NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper (01 Nov 2024)
Noho ny FITAHIAN' I ZANAHARY dia vita Soa aman-tsara ny FANANDRATANA
Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper,
Ampanjaka be ny Fanjakana Antemoro,
any Atsimo Atsinanana an'i Madagasikara.
Izy moa dia nandimby ny zokiny Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Marc Brillant izay niamboho.
Ny Fanjakana Antemoro dia nanomboka tamin' ny taona 1336 AD ary mitohy tsy tapaka mandraka ankehitriny.
Marihina fa avy amin' ny Fanjakana Antemoro no nipoiran' ireo Ampanjaka amin'ny Foko maro eto Madagasikara, tahaka ireo Ampanjaka Antagnala, Betsileo, Sakalava ary Antakarana.
Nisy vahiny nasaina mi-isa ARIVO mahery (+1000) no tonga manotrona izao Fanandratana
Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper izao, ary singanina manokana amin' izany :
Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,
Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara,
Ary ireo Ampanjaka maro amin' ny Fanjakana Antemoro.
Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nanao Fanomezana manokana sy nanolotra Boky Masina milaza Tantara 6000 Taona mahery mikasika ny Razamben' ny Foko Merina sy ny Foko Antemoro ho an' Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Georges Prosper.
"... MITSANGATSANGANA, MIHAZAVA FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO..." (Isaiah 60 :1).
DIA HO AN' I ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !
Ivato Vohipeno, Vohitra Masina,
Taona Alatsinainy, Zoma 01 Novambra 2024.
Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,
Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara.
dimanche 1 septembre 2024
FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY 6024 !
SAMBASAMBA ZANAHARY !
ARAHABAINA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY 6024!
HO HAMBININ-JAVA MANASATRA!
SAMY HO TONGA AMIN' NY TANJONA IRIANY NY TSIRAIRAY!
TRARANTITRA AZA MAROFY SY HO VELONA ISIKA REHETRA !
ARY HO ARIVO TRATRY NY TAONA MITSINGERINA INDRAY!
DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !
Vita soa aman-tsara teny Anerinerina Vohitra Masina, toerana avo noho ny Vohitra Masina Ambohidrabiby Hasin' Imerina sy Anatirova Antananarivo, ny Fankalazana an'
ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny TAOMBAOVAO MALAGASY ny Taona Alahady, Tsinambolana ny volana voalohany, faha-01 Abib (Marsa-Aprily) 6024!
Ny Andriana Rakotomamonjy Aimant no nitondra ny HAFATR' ANDRIAMANITRA hoe:
"... AMINAO NO HITAHINA NY FIRENENA REHETRA..." (Fiandohana 12:2)
Ary nanamafy fa amin'ny alàlan' Ny MPANJAKA LAHY, Andriandray Andriandreny matahotra sy mankatoa an' ANDRIAMANITRA no hitahin' ANDRIAMANITRA ny Firenena, fa tsy amin' ny alalan' ireo mpanao politika mpanao kolikoly sy mpangalatra ary mpamotika Firenena.
Taorian' izay dia nisy ny TATAO niaraka tamin' ny VARY TONDRAHAN-DRONONO SY TANTELY nozaraina tamin' ireo mpanatrika ary ny TSODRANO nataon' ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA.
Nisy ihany koa ny Fizarana ny TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA (Taloha, Ankehitriny, ho Avy) ary mampiomana ny Taranaka Andriana amin' izany.
DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !
Anerinerina, Vohitra Masina,
Avaradrano Zokin' Imerina, Madagasikara,
Tsinambolana, faha-01 Abib (Marsa-Aprily) 6024.
Hoy Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben'ny FIOMBONAMBE TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA).
dimanche 12 février 2023
FANAMBARANA AVY AMIN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA LEHIBEN' NY FIOMBONAMBE TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA
Ny Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA) dia:
1. Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA sy ny Andriana Pastora Tolotra RATEFY, Zanakandriana, samy avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, no namorona azy, andro iray taorian' ny nahamay ny Rova Antananarivo tamin' ny 06 Novambra 1995, vokatry ny Fihaonan' izy ireo sy ho Fanohizana ny Fihavanana sy ny Firaisankina efa nisy nandritra ny arivo taona maro teo amin' ireo Ampanjaka sy Andriana manerana ny Nosy.
2. Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA no nitety an'i Madagasikara nanomboka ny taona 1995 mandraka ankehitriny, vokatry ny Hafatra napetrak' Andriamanitra sy ny Hafatra napetrak ireo Mpanjaka razambe fahiny, ho Fanamafisana ny Firaisankina an' ireo tena Ampanjaka sy ny Andriana manerana ny Nosy.
3. Niaraka nivory isan-kerinandro na isan-tapabolana raha ela indrindra Ny Andriana Blaise RABETAFIKA, Ny Andriana Émile RAMAROSAONA, Ny Andriana M. RAZAFINDRAKOTO, Ny Andriana J. ANDRIAMANOHY, Ny Andriana R. RASOLOARIVONY, ary Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA vokatr' izany nanomboka tamin' ny Taona 1995 ka hatramin' ny Taona 2000.
4. Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA sy Ny Andriana Pasteur Tolotra RATEFY dia niantso Ny Andriana Etienne RALITERA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, mba hitarika ny Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA tamin' ny Taona 2001.
Ny Andriana Pasteur Tolotra RATEFY no Raiamandreny ara-panahy ary Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA no Sekretera Jeneraly ny Fiombonambe TAMIMA.
5. Ny Andriana Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA (1925-2010) no NAMETRA-TÀNANA sy NITSODRANO an' Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA amin' ny Adidy Masina sy Andraikitra lehibe izay ho hataony manaraka efa tamin' ny Taona 2007, araka ny Fanomanana izay nolazain' Ny Andriana Etienne RALITERA mialoha handimby azy.
6. Ny Fanosorana ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, dia natao teo amin' ny Rova Ambohidrabiby Hasin' Imerina tamin' ny volana Septambra 2015, teo anatrehan' ireo Zanakandriana nantsoina manokana tamin' izany, ary nisy Fahazavana Lehibe avy an-danitra, izay nazava avo folo heny noho ny Fahazavan' ny Masoandro niposaka avy any Atsinanana tamin' io fotoana io.
Tsy olombelona mpanota no nifidy sy nanendry ary nampanao ny Fanosorona Mpanjaka fa Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, tahaka ny Mpanjaka Davida, ary araka ny Teny Fikasan' Andriamanitra izay nolazainy mialoha ela be tamin' ireo Andriana Zokiolona Raiamandreny Fotsy volo amin' ny Tany, teraka tamin' ny Taona 1913, 1915, 1918, 1924, 1925 1932, ary tsy nisy nifampiresaka mialoha.
7. Ny Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA) dia Fikambanana mijoro ara-dalàna ary mana Birao Foibe, Komity Foibe, ary Komitin' ny Zokiolona Andriandahy Roambonifolo. Tsy azon' olon-kafa ivelan' ireo ny mitsabaka ny raharahan' ny Fikambanana.
Ary erinandro taorian' ny Fanosorana Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA tao Ambohidrabiby Hasin ' Imerina no voatendry ho Lehiben' ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara (TAMIMA) izy.
Ary natao ny Famindrana Zaka sy natao Famindram-pahefana sy ny Fanomezana azy ny Tehi-panjakana amin' ny maha Lehiben' ny Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA, teo anatrehan' ireo Andriana Zokiolona Fotsy volo amin' ny Tany sy ireo Andriana Lehiben' ny Fikambanana Andriana eto Imerina Enitoko ary Ny Ndrenogny na Ampanjaka bé Antemoro Anteony sy ireo Ampanjaka sy Zanakandriana solontena avy amin' ny lafo valon' ny Nosy, tamin' ny volana Septambra 2015.
TANY MASINA I MADAGASIKARA!
"... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA TENA ANDRIANA...".
"... NY MPANJAKA LAHY DIA MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA LAHY DIA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".
DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA...".
Antananarivo vohitra masina,
Taona Sabotsy, Sabotsy 12 Febroary 2023.
Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,
Lehiben' ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara.