mercredi 26 janvier 2022

FANAMBARANA: NY TOERANA AVO HANORENANA TRANO. NY TOERANA IVA HAMBOLENA VARY.



NY COLISEE DIA MILA HESORINA HAINGANA. NY TELEPHERIQUE MAMPIDIDOZA DIA TSY ILAINA HAPETRAKA ENY AMIN' NY FARITRA MANODIDINA NY ROVA SY ANDOHALOMASINA: 


TENA TSY FANAJANA NY VAKOKA ENY AMIN' NY TOERANA MASINA, ARY TENA FANOTANA FADY TANTERAKA, ARY MAMPIDIDOZA HO AN' NY FIRENENA.    

                                                                                                   FA NY FANKATOAVANA AN' ILAY MPAHARY, NY FANAJANA NY HASINA, NY SOATOAVINA, ARY NY VAKOKA MANAN-TANTARA NO TOKONY ATAO!  


FA TSY NY VAHOAKA EFA NIPETRAKA ENY AMIN' NY TOERANA AVO EFA HATRAMIN' NY RAZAMBENY AN-JATO TAONA SANATRIA NO TADIAVINA HIALA ENY ...!    


NY TOERANA AVO NATAO IPETRAHANA. NY TOERANA IVA NATAO HAMBOLENA VARY SY ZAVA-MANIRY. ARY AOKA IZAY NY FANOTOFANA TANY SY NY FANORENANA TRANO ENY AMIN' NY TANIMBARY SY NY TANY LEMAKA.

                                                                                                                TANY MASINA I MADAGASIKARA !  


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo vohitra masina, faha-25 Janoary 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



mardi 4 janvier 2022

FANOSORANA MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara

 "... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA TENA ANDRIANA...".


NY SAOTRA, NY DERA, NY FAHENDRENA, NY HERY, NY LAZA, NY TANJAKA ary NY VONINAHITRA, HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY 

satria vita soamantsara NY FANOSORONA MPANJAKA nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny Taona 2015, 

araka ireo TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY izay MI-ISA FITO, tao anaty DINGANA FITO nandritra ny TAONA MARO nanomboka tamin'ny Taona 1981, ho an' 


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Zanakandriana, Andriandahy, Andriandray Andriandreny,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, 

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Mpanjaka eto Madagasikara,


ARAKA NY HAFATRA NAPETRAK' IREO RAZAMBE MPANJAKA LAHY dia Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMARA (c.1100 AD), Ny Masina Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan'Imerina (c.1260-1300 AD), Ny Masina Mpanjaka ANDRIAMANELO (c.1550-1575 AD), ary Ny Masina Mpanjaka RALAMBO (c.1575-1600 AD), ary tsy maintsy ANDRIANDAHY avy amin' izy ireo ary ao AVARADRANO ZOKIN' IMERINA,


sy tsy maintsy avy amin' Ny Masina Mpanjaka Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA Lahimatoan'Imerina (c.1600-1610 AD) mivantana, Tompon' ny Tranomanara sy Tranofohiloha ary Tranomasina, ao amin' ny Rova Ambohimalazabe, ary avy amin' Ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA (c.1610-1630 AD) izay nanorina ny Rova Antananarivo, ary samy avy ao Avaradrano Zokin' Imerina,


izay nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY teo anatrehan' ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana sady Vavolombelona tao amin'ny ROVA AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA, ao Avaradrano Zokin' Imerina,


Tao anatin' ireo DINGANA FITO nandritra ny Taona maro ireo :

1 - Ny TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY dia IZY NO MIFIDY SY MANENDRY NY MPANJAKA (Deotoronomia 17:15), ka nanome  HAFATRA FITO mifandray amin' izay ary nolazainy mivantana tamin' ireto Raiamandreny ara-panahy, manam-pahendrena, manam-pahalalàna, masinteny, anti-panahy, ary tsy nifampiteny ireto:


. Voalohany, tamin' Ny Andriana Mpitandrina Daniel RATEFY (1913-1995), Raiamandreny am-panahy lehibe eto amin' ny tany sy ny firenena, Zokiolona, avy amin' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina, efa nitety firenena roambinifolo ambizato (120), ary nambarany ho an' Ny Mpanjaka Ndriana Rabarioelina ny Taona 1981.


. Faharoa, tamin' Ny Mpitandrina RAZAFINDRAKOTO Gabriel, Raimandreny ara-panahy Zokiolona (1919-1986), Taranaka Mpisorona avy ao Antanamalaza, Fanjakana Merina, nandalina Theology tany Montpellier sy efa tany Suisse sy Israël, izay nahay Tenim-pirenena fito, ary nambarany ho an' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Aogositra 1986, 


. Fahatelo, tamin' i Mama VOLAHAVANA Germaine na Mama NENILAVA (1918-1998), Zokiolona Raiamandreny ara-panahy Tobilehibe Ankaramalaza, Taranaka Mpisorona, avy amin' ny Fanjakana Antemoro, izay efa maty im-pito ary efa nampiakarin' Andriamanitra im-pito tany an-danitra, nampianariny Tenim-pirenena Roambinifolo, efa tany United-States of America, France, ary Norvège, nihaona tamin' ny Mpanjaka Olav V tany amin' ny Lapan' Andriana tany Oslo, Fanjakan'i Norvezy, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Desambra 1996, 


- Fahaefatra, tamin' Ny Andriana Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA, Raiamandreny ara-panahy, Zokiolona (1925-2010), avy amin' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina ao Ambohimalaza sy avy amin' Ny Andriamasinavalona, Fanjakana Merina, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Jolay 2007.


. Fahadimy, tamin' Ny Andriambavy RAVOLAZAIMANGA Bernadette (teraka 1932), 91 taona mahery, Raiamandreny ara-panahy, avy ao Ambalavao, Fanjakana Betsileo, Zokiolona indrindra amin' ny Tobilehibe Ankaramalaza sy ny Tobilehibe Manolotrony (FFPM), ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny taona 2009-2010.


. Fahaenina, tamin' ny Andriambavy RASOAZANAKOLONA Hélène na Mamafara, Raiamandreny am-panahy Zokiolona (1924-2017) ao amin' ny Toby Namahanambasy-Ambohitompoina (FLM), Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo, izay efa maty in-dimy ary efa nampiakarin' Andriamanitra in-dimy tany an-danitra, nampianariny, Tenim-pirenena Fito, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny taona 2012-2015.



. Faha-fito, tamin' ny Raiamandreny ara-panahy, Zokiolona Dada MANASÉ (1923-2023), 77 taona mahery, Taranaka Mpisorona, avy amin' ny Fanjakana Antemoro, ao amin' ny Toby Ankaramalaza, izay nanome Tenin' Ilay MPAHARY mi-isa dimy amibinifolo ary nambarany mivantana tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny 02 Mey 2018.


2 - Ny FANDRAISANY ANJARA GOAVANA tamin' ny FAMERENENA NY FANDRIAMPAHALEMANA tamin' ny Fanoroana hevitra ireo Manamboninahitra Jeneraly (Division Generals sy Brigadier Generals) mi-isa folo, mba tsy hisian' ny FAMONOANA OLONA FAOBE, tamin' ny FAMAHANA ny KRIZY POLITIKA sy ny ADY NIARAKA TAMIN' NY BASY AMAN-TAFONDRO, izay nisy Malagasy an-tapitrisa nijaly sy natao fahirano ary Malagasy an-jatony no naratra sy  natao takalon'aina na maty novonoina, tamin' ny Taona 2002.


3 - Ny TSO-DRANO nataon' Ny Andriana Mpitandrina Daniel RATEFY, Raiamandreny ara-panahy Zokiolona (1913-1995) avy ao Ambohimalaza, Avaradrano Zokin' Imerina, Fanjakana Merina, izay efa nitety firenena mi-isa roapolo amby zato mahery (+120) maneran-tany, ary notanterahany ny Taona 1987


ary Ny TSODRANO sy ny FAMETRAHA-TÀNANA MANOKANA nataon' Ny Andriana Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA (1925-2010), Raiamandreny Zokiolona, avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, avy ao Ambohimalaza ary koa Andriamasinavalona, avy amin' ny Fanjakana Merina, izay Raiamandreny am-panahy an' ny Fianakaviamben' ny Andriana eto Imerina sy eto Madagasikara, tamin' ny volana Jolay 2007.


4 - FANOSORANA MPANJAKA: 

Ny Fanosorana Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia natao tao amin' ny ROVA AMBOHIDRABIBY HASIN' IMERINA ny volana Septambra 2015

ary marika ny FANATREHANA, ny FANKATOAVANA sy ny FANKASITRAHANA ary ny TSODRANO nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY

dia nisy FAHAZAVANA LEHIBE SY MAHERY nidina avy any an-danitra tamin' izany FANOSORANA MPANJAKA azy izany ary tonga teo aminy ary naharitra ela, 

teo anatrehan' ireo Zanakandriana vavolombelona nanatrika izany. FAHAZAVANA LEHIBE SY MAHERY izay AVO FOLO HENY NOHO NY FAHAZAVAN' NY MASOANDRO niposaka maraina avy any Atsinanana, tamin' io fotoana io.


Tsy olombelona mpanota no miantso sy mifidy sy manendry ary mampanao ny Fanosorana Mpanjaka, 

fa ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, tahaka ny nifidianany sy ny Fanendreny ary ny Fanosorana Mpanjaka nataony tamin' ny Mpanjaka Davida tany Israel, ary nametrahany Marika sy Famantarana hita maso izay tsy hain' ny olombelona halain-tahaka!


5 - Ny FAMINDRANA ZAKA SY FANDOVANA FANJAKANA ARY NY FANOMEZANA NY TEHIM-PANJAKANA nataon' Ny Andriana RALITERA Etienne (1938-2017), avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina sy Lehiben' ny Fiombonambe Tanaka Andriana Miray eto Madagasikara (2002-2015), Grand Chancelor of the National Order of Madagascar (2002-2017) izay efa nihaona tamin' H.E. Mr. Koffi ANNAN sy H.E. Mr. Ban KHI MOON izay Sekretera Jeneraly nifandimby tao amin' ny Firenena Mikambana (UN), 

ary notanterahiny tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, erinandro mahery taorian' ny Fanosorana azy ho Mpanjaka, ary natao Antananarivo vohitra masina, ny volana Septambra 2015,

teo anatrehan' IREO ANDRIANDEHIBE ZOKIOLONA FOTSY VOLO AMIN' NY TANY sy IREO FILOHAN NY FIKAMBANANA ANDRIANA MERINA ary Ny Ndrenogny RAMAHASITRAKARIVO Martin izay Ampanjaka Be ANTEMORO sy ireo AMPANJAKA Solontena avy any amin' ny Faritra sy ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana tao ANTANANARIVO.


6- Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia efa nahazo Fiofanana Politika Avo Lenta manokana, nanomboka ny Taona 1994, anisan' izany ny nataon' Ny Andriana Blaise RABETAFIKA (1932-2000) izay efa Ambasadaoron'i Madagasikara sy Zokiolona indrindra amin' ireo Ambasadaoro rehetra tao amin' ny Firenena Mikambana (UN) tany New-York (1969-1992) sy efa Filohan' ny Filankevitra ny Fandriampahalemana indroa nisesy teo anivon ny Firenena Mikambana (UN) tamin' ny Marsa 1985 sy Jona 1986 ary nahazo ny Prix Mercure d'Or International natokana ho an' ny Filoham-pirenena vitsy erantany. 

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nahavita Doctorats roa (PhD, ThD) tany Etazonia (USA), izay mihoatra ny arivo pejy mahery (+1.000 pejy)  araka ny TENY FIKASAN'ANDRIAMANITRA izay nomena azy ny volana Desambra 1996, ary mikasika ny Tantara miafin' i Madagasikara hatrany am-piandohana izay mihoatra ny enina arivo taona mahery (+6.000 taona) sy Taranja siantifika maro mikasika an' i Madagasikara eo anivon' izao tontolo izao (Theology, Geography, Geology, Gemology, Zoology, Botany, Archeology, History, Religions, Human Genetics, Linguistics, Ethnomusicology, Management, Military Strategy, Political Sciences).


7- Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA koa dia efa nitety FIRENENA EFATRA AMBINIFOLO (14) erantany ary nihaona tamin'ny MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY avy amin'ny FIRENENA MARO, TANY IVELAN' I MADAGASIKARA, ary EFA NANTSOINA HITARIKA IREO MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY tany am-pitandranomasina raha nihaona tamin' ny Filoham-pirenena avy any Amerika, Afrika, Europa ary Afovoany-Atsinanana.


TANY MASINA I MADAGASIKARA !

"... MITSANGANA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO...".

"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".

"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA LAHY MITONDRA ARAKA NY RARINY...".

"... HOTAHIANA IZAY MANISY SOA ANAO, FA VOAOZONA IZAY MANAO RATSY ANAO...".


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA, MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Ambohidrabiby Hasin'Imerina, Vohitra masina,

Avaradrano Zokin' Imerina, 

Taona Sabotsy, Volana Septambra 2015. 



 (C) Copyright 



jeudi 16 décembre 2021

NY FIOMBONAMBE TAMIMA DIA TSY MANKASITRAKA NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE ETO ANTANANARIVO

  NY FIOMBONAMBE TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA) 

 DIA MANAINGA NY OLOMPIRENENA SY NY FIKAMBANANA REHETRA, NY FIANGONANA, NY FIARAHAMONIMPIRENENA, NY VAHOAKA MALAGASY

MBA TSY HANAIKY NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE ETO ANTANANARIVO VOHITRA MASINA.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


Antnananarivo Vohitra Masina, faha-12 Desambra 2021.


Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fiombonaambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara.


vendredi 6 août 2021

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO TAO IVATO-VOHIPENO

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO,
AMPANJAKA BÉ AMIN' NY FANJAKANA ANTEMORO,

TAO AMIN' NY LAPA FENOVOLA, IVATO-VOHIPENO,
FANJAKANA ANTEMORO,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIRAISANKINA ARY NY FIFANKATIAVANA,

FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARAN' I MADAGASIKARA MANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6.000 TAONA): NY LASA, NY ANKEHITRINY, ARY NY HO AVY.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


IVATO-VOHIPENO, AOGOSITRA 2021.


dimanche 24 mai 2020

NY FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA DIA TSY MANKASITRAKA NY FAMETRAHANA COLISEUM AO ANATIROVA

FANAMBARANA : 
Ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina sady Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa Ny Rova Antananarivo manontolo dia Toerana Masina ary ny Fanarenana ny Rova Antananarivo izay misy ireo Lapan' Andriana rehetra tao (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Manampisoa, Lapa Tsarahafatra, Lapa Manjakatsiroa, Lapa Manjakahavana, Lapa Rarihasina, Lapa Rarisambo, Lapa Tsiazompaniry,  sy ireo Lapan' Andriana sy Tranon' Andriana hafa rehetra) dia
tokony manaraka ny Soatoavina sy ny Fomba ary ny Kolotsaina Andriana Merina ary tokony haverina amin' ny endriny ivelany sy anatiny taloha izy ireo, ary tsy hampiana zavatra hafa. Tsy mila Coliseum romain na Ascenceur.
Ny tsy Fanarahana izany dia miteraka ozona sy zava-doza eo amin' ny firenena. 
Koa atsipy ny teny ho an' ny olokendry sy ny manamanahy ary ny tsy maty eritreritra.

Tany Masina i Madagasikara !

Ho an' Ilay Mpahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-15 Febroary 2020.

Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.





dimanche 12 février 2017

ROYAL ACADEMY OF SCIENCES IN MADAGASCAR (RAM)

Noho ny Fahasoavan' Ilay MPAHARY ny Lanitra sy ny Tany dia efa mojoro ny ROHIM-PAHENDRENA sy FAHALALANA ary FAHAIZANA an' ny ANDRIANA eto Madagasikara (RAM) na ROYAL ACADEMY OF SCIENCES IN MADAGASCAR (RAM) ho Fampandrosoana ny Firenena ary ho Voninahitr'Ilay MPAHARY ny Lanitra sy ny Tany irery ihany.


Misy Vondrona sy Taranja maro ao anatin' ny RAM, toa :

1) Ny Fahendrena sy ny Fahalalàna an' Ilay MPAHARY ny Lanitra sy ny Tany  (Theology, ...),

2) Ny Hai-Teny sy ny Hai-Fomba sy ny Soatoavina, ny Hai-Soratra, ary ny Hai-Kanto,

3 ) Ny Siansa fototra (Mathematics, Physics, Chemistry,...),

4 ) Ny Siansa mikasika ny Lanitra sy ny Tany (Astrophysics, Astronomy, Geology, Biology, Zoology, ...),

5) Ny Siansa mikasika ny Olombelona (Medicine, Anthropology, Ethnology, ...),

6) Ny Hai-Tantara sy ny Hai-Lalàna ary ny Siansa Politika.

7) Ny Siansa Mikasika ny Fampandrosoana  (Economics, Management, Business, Sociology, New Technology, ...),


Antananarivo, Vohitra Masina, Aprily 2016.

Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, PhD, ThD,
Filoha-Mpanorina ny Royal Academy of Sciences in Madagascar  (RAM).


dimanche 27 septembre 2015

Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA)



Ny Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA) dia Fiombonamben' ny Fikambanan'Andriana amin' ny Foko manerana an’i Madagasikara.

1) Ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA sy Ny Andriana Pasitera Tolotra RATEFY, Andriandahy andriandray andriandreny, samy avy amin' ny Mpanjaka-Mpisorona Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina sy ny Mpanjaka Andrianjaka, ary ao Avaradrano Zokin' Imerina, araka ny hafatra napetraky ny razambe: Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMARA, Ny Masina Mpanjaka ANDRIAMANELO sy ny Masina Mpanjaka RALAMBO,

 no mpanorina ny Fiombonambe TAMIMA, andro iray taoriana ny Fandoroan' ireo ratsy fanahy ny Rovan'Antananarivo nisy ny Lapa Besakana, ny Lapa Mahitsielafanjaka, ny Lapa Tranovola, ny Lapa Manjakamiadana, ary ny Tempoly Anatirova, ny 06 novambra 1995.


2) Avy eo dia niaraka nivory Ny Andriana Blaise RABETAFIKA, Ny Andriana Émile RAMAROSAONA, Ny Andriana M. RAZAFINDRAKOTO, Ny Andriana J. ANDRIAMANOHY, Ny Andriana P. RANJALAHY ary Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA, isan-kerinandro na roa erinandro raha ela indrindra ny Taona 1995-2000.

 
3) Avy eo Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA sy Ny Andriana Pastora Tolotra RATEFY, Raiamandreny mirahalahy Mpanorona ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara,  dia niantso Ny Andriana Etienne RALITERA, avy amin' ny Mpanjaka-Mpisorona Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina sy ny Mpanjaka Andrianjaka ihany koa, ho Filohan' ny TAMIMA tamin' ny Taona 2001.


3) Taty aoriana, ireo raiamandreny telo mirahalahy ireo dia niantso ireo Fikambanan'Andriana maro eto Imerina Eni-Toko mijoro ara-dalàna sy ara-drazana (Andriantompokoindrindra, Zanadralambo amin’Andrianjaka, Andrianamboninolona, Andriandranando, Andriamasinavalona, Andriamamilaza, Hasin'Ivakinankaratra, sns…) sy ireo Fikambanan'Andriana maro manerana an'i Madagasikara (Antakarana, Betsimisaraka, Bezanozano, Antemoro, Antambahoaka, Antanala, Antefasy, Zafisoro, Antesaka, Antemambondro, Betsileo, Bara, Antanosy, Mahafaly, Sakalava, ...sns).

Ny Andriana Etienne RALITERA no Raiamandreny Filoha voalohany ofisialy ny Fikambanana TAMIMA (2003-2015).


4) Ny Fanosorana ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, tahaka ny natao tamin' ny Mpanjaka Davida, dia natao teny amin' ny Rova Ambohidrabiby Hasin' Imerina, tamin' ny volana septambra 2015, 

araka ny TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA izay nolazainy tamin' ireo Andriana Zokiolona Fotsy Volo amin' ny tany, teraka tamin' ny Taona 1913, 1918, 1919, 1920, 1924, 1925, 1932.

Nisy Fahazavana lehibe nidina avy any an-danitra tonga teo amin' ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA tamin' ny fotoana Fanosorana azy ho Mpanjaka. Ary Fahazavana avo folo heny noho ny Fahazavan' ny masoandro niposaka avy any Atsinanana tamin' io fotoana Io.

Izany Fanosorana ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA izany dia tontosa erinandro mialoha ny Famindrana Zaka sy Famindra-pahefana ary ny Fanomezana ny Tehi-panjakana ho azy teo anivon' ny Fiombonambe TAMIMA.


5) Nanomboka ny 26 Septambra 2015, Ny Andriana Etienne RALITERA dia nanao ny Famindra-pahefana tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Docteur en Théologie, Mpanorina ny Fiombonambe TAMIMA, izay  Raiamandreny Filohan' ny Fiombonambe TAMIMA mandraka ankehitriny.

Teo anatrehan' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY sy ireo Andriandehibe Zokiolona fotsy volo, ireo Andriana Filohan' ny Fikambanan' Andriana eto Imerina Eni-Toko ary ny Ampanjaka Antemoro Anteony Ndrenogny Ramahasitrakarivo Martin avy ao amin' ny Lapa Fenovola Ivato-Vohipeno, ny Ampanjaka Mahafaly Lazamana, ny Ampanjaka Sakalava Zalifa Bente Salim, sy ny solontenan' ireo Ampanjaka avy any anindrantany manerana ny Nosy, no nanaovana izany famindra-pahefana izany.


6) Nanomboka tamin' ny Taona 1995 dia efa nisy ary misy hatrany ny Fihaonana manokana sy matetika amin' ny Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA Lehiben' ny Fiombonambe TAMIMA 

miaraka amin'ireo Ampanjaka manerana an'i Madagasikara (Betsimisaraka, Bezanozano, Antambahoaka, Antemoro, Antefasy, Antesaka, Zafisoro, Betsileo, Bara, Antanosy, Antandroy, Mahafaly, Sakalava, Antakarana, ...) sy ny Sojabe Tsimihety ary ny Zokiolona Sihanaka, tahaka ny Fihaonana nataon'ireo razambe Mpanjaka sy Ampanjaka manerana ny Nosy Madagasikara, efa nandritra ny arivo taona maro, ho mariky ny Fihavanana sy ny Fifankatiavana ary ny Firaisankina.


7) Ny Andriana Etienne RALITERA, izay lasa Filoham-Boninahitra ny Fiombonambe TAMIMA, dia efa nihaona tamin' ny Prince Albert DE MONACO, ny Sekretera Jeneraly ny Firenena Mikambana Kofi ANNAN, ary ny mpandimby azy dia ny Sekretera Jeneraly ny Firenena Mikambana Ban KI-MOON.


 8) Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, izay nandimby azy, dia efa nihaona manokana tamin' ny MPANJAKA sy AMPANJAKA VAHINY mi-isa zato mahery sy efa nitarika ny Delegasiona Mpanjaka amin' ny firenena maro raha nihaona tamin' ny FILOHAM-PIRENENA VAHINY (Europe, Afrika, Asia, Amerika, Moyen-Orient) tany amin' ny firenena ivelan' i Madagasikara. 


9) Ny Tanjon' ny Fiombonambe TAMIMA dia :
- ny Fankatoavana an' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY.
- ny Fanamafisana ny Fihavanana,
- ny Fiarovana ny Firaisam-pirenena,
- ny Fikajiana ny Soatoavina sy ny Kolotsaina ary ny Hasina,
- ny Fanarenana sy ny Fampandrosoana, amin' ny lafiny rehetra, ny tanindrazana sy ny firenena manontolo izay nantsoin' Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany ho Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina.


10) Ny Fianakaviamben’ ny Andriana Merina misy ireo Andriana Filoha na Andriana Zokiolona avy amin’ Fikambanan’ Andriana mijoro ara-dalàna sy ara-drazana eto Imerina, Ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, Ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, Ny Royal Academy of Sciences of Madagascar dia efa ao anatin’ ny Fiombonambe TAMIMA nanomboka ny Taona 2010. 

Ny Fiombonambe TAMIMA dia Fikambanana mijoro ara-dalàna ary manana Birao Foibe, Komity Foibe, Komitin' ny Zokiolona Roambinifolo. Ireo ihany no mikarakara ny raharahan' ny Fikambanana eto Madagasikara sy erantany. 


Koa raisina an-tanandroa hatrany izay Fikambanan'Andriana, mahafeno ny Fepetra, vonona hiditra ao anatin’ ny Fiombonambe ka mankatoa an’ Andriamanitra Andriananahary, mandeha amin’ ny Fahamarinana , tia tanindrazana, miaro ny Firaisankina ary vonona hampandroso ny firenena.

Masina i Madagasikara !


Dia Ho an'i ZANAHARY, ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra !


Antananarivo, Vohitra Masina, faha-21 Aogositra 2017.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben’ ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara.