jeudi 16 décembre 2021

NY FIOMBONAMBE TAMIMA DIA TSY MANKASITRAKA NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE ETO ANTANANARIVO

  NY FIOMBONAMBE TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA) 

 DIA MANAINGA NY OLOMPIRENENA SY NY FIKAMBANANA REHETRA, NY FIANGONANA, NY FIARAHAMONIMPIRENENA, NY VAHOAKA MALAGASY

MBA TSY HANAIKY NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE ETO ANTANANARIVO VOHITRA MASINA.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


Antnananarivo Vohitra Masina, faha-12 Desambra 2021.


Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fiombonaambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara.


vendredi 6 août 2021

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO TAO IVATO-VOHIPENO

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO,
AMPANJAKA BÉ AMIN' NY FANJAKANA ANTEMORO,

TAO AMIN' NY LAPA FENOVOLA, IVATO-VOHIPENO,
FANJAKANA ANTEMORO,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIRAISANKINA ARY NY FIFANKATIAVANA,

FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARAN' I MADAGASIKARA MANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6.000 TAONA): NY LASA, NY ANKEHITRINY, ARY NY HO AVY.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


IVATO-VOHIPENO, AOGOSITRA 2021.


dimanche 24 mai 2020

NY FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA DIA TSY MANKASITRAKA NY FAMETRAHANA COLISEUM AO ANATIROVA

FANAMBARANA : 
Ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina sady Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa Ny Rova Antananarivo manontolo dia Toerana Masina ary ny Fanarenana ny Rova Antananarivo izay misy ireo Lapan' Andriana rehetra tao (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Manampisoa, Lapa Tsarahafatra, Lapa Manjakatsiroa, Lapa Manjakahavana, Lapa Rarihasina, Lapa Rarisambo, Lapa Tsiazompaniry,  sy ireo Lapan' Andriana sy Tranon' Andriana hafa rehetra) dia
tokony manaraka ny Soatoavina sy ny Fomba ary ny Kolotsaina Andriana Merina ary tokony haverina amin' ny endriny ivelany sy anatiny taloha izy ireo, ary tsy hampiana zavatra hafa. Tsy mila Coliseum romain na Ascenceur.
Ny tsy Fanarahana izany dia miteraka ozona sy zava-doza eo amin' ny firenena. 
Koa atsipy ny teny ho an' ny olokendry sy ny manamanahy ary ny tsy maty eritreritra.

Tany Masina i Madagasikara !

Ho an' Ilay Mpahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-15 Febroary 2020.

Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.





dimanche 12 février 2017

ROYAL ACADEMY OF SCIENCES IN MADAGASCAR (RAM)

Noho ny Fahasoavan' Ilay MPAHARY ny Lanitra sy ny Tany dia efa mojoro ny ROHIM-PAHENDRENA sy FAHALALANA ary FAHAIZANA an' ny ANDRIANA eto Madagasikara (RAM) na ROYAL ACADEMY OF SCIENCES IN MADAGASCAR (RAM) ho Fampandrosoana ny Firenena ary ho Voninahitr'Ilay MPAHARY ny Lanitra sy ny Tany irery ihany.


Misy Vondrona sy Taranja maro ao anatin' ny RAM, toa :

1) Ny Fahendrena sy ny Fahalalàna an' Ilay MPAHARY ny Lanitra sy ny Tany  (Theology, ...),

2) Ny Hai-Teny sy ny Hai-Fomba sy ny Soatoavina, ny Hai-Soratra, ary ny Hai-Kanto,

3 ) Ny Siansa fototra (Mathematics, Physics, Chemistry,...),

4 ) Ny Siansa mikasika ny Lanitra sy ny Tany (Astrophysics, Astronomy, Geology, Biology, Zoology, ...),

5) Ny Siansa mikasika ny Olombelona (Medicine, Anthropology, Ethnology, ...),

6) Ny Hai-Tantara sy ny Hai-Lalàna ary ny Siansa Politika.

7) Ny Siansa Mikasika ny Fampandrosoana  (Economics, Management, Business, Sociology, New Technology, ...),


Antananarivo, Vohitra Masina, Aprily 2016.

Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA, PhD, ThD,
Filoha-Mpanorina ny Royal Academy of Sciences in Madagascar  (RAM).


dimanche 27 septembre 2015

Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA)



Ny Fiombonambe TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA) dia Fiombonamben' ny Fikambanan'Andriana amin' ny Foko manerana an’i Madagasikara.

1) Ny Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA sy Ny Andriana Pasitera Tolotra RATEFY, Andriandahy andriandray andriandreny, samy avy amin' ny Mpanjaka-Mpisorona Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina sy ny Mpanjaka Andrianjaka, ary ao Avaradrano Zokin' Imerina, araka ny hafatra napetraky ny razambe: Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMARA, Ny Masina Mpanjaka ANDRIAMANELO sy ny Masina Mpanjaka RALAMBO,

 no mpanorina ny Fiombonambe TAMIMA, andro iray taoriana ny Fandoroan' ireo ratsy fanahy ny Rovan'Antananarivo nisy ny Lapa Besakana, ny Lapa Mahitsielafanjaka, ny Lapa Tranovola, ny Lapa Manjakamiadana, ary ny Tempoly Anatirova, ny 06 novambra 1995.


2) Avy eo dia niaraka nivory Ny Andriana Blaise RABETAFIKA, Ny Andriana Émile RAMAROSAONA, Ny Andriana M. RAZAFINDRAKOTO, Ny Andriana J. ANDRIAMANOHY, Ny Andriana P. RANJALAHY ary Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA, isan-kerinandro na roa erinandro raha ela indrindra ny Taona 1995-2000.

 
3) Avy eo Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA sy Ny Andriana Pastora Tolotra RATEFY, Raiamandreny mirahalahy Mpanorona ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara,  dia niantso Ny Andriana Etienne RALITERA, avy amin' ny Mpanjaka-Mpisorona Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina sy ny Mpanjaka Andrianjaka ihany koa, ho Filohan' ny TAMIMA tamin' ny Taona 2001.


3) Taty aoriana, ireo raiamandreny telo mirahalahy ireo dia niantso ireo Fikambanan'Andriana maro eto Imerina Eni-Toko mijoro ara-dalàna sy ara-drazana (Andriantompokoindrindra, Zanadralambo amin’Andrianjaka, Andrianamboninolona, Andriandranando, Andriamasinavalona, Andriamamilaza, Hasin'Ivakinankaratra, sns…) sy ireo Fikambanan'Andriana maro manerana an'i Madagasikara (Antakarana, Betsimisaraka, Bezanozano, Antemoro, Antambahoaka, Antanala, Antefasy, Zafisoro, Antesaka, Antemambondro, Betsileo, Bara, Antanosy, Mahafaly, Sakalava, ...sns).

Ny Andriana Etienne RALITERA no Raiamandreny Filoha voalohany ofisialy ny Fikambanana TAMIMA (2003-2015).


4) Ny Fanosorana ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, tahaka ny natao tamin' ny Mpanjaka Davida, dia natao teny amin' ny Rova Ambohidrabiby Hasin' Imerina, tamin' ny volana septambra 2015, 

araka ny TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA izay nolazainy tamin' ireo Andriana Zokiolona Fotsy Volo amin' ny tany, teraka tamin' ny Taona 1913, 1918, 1919, 1920, 1924, 1925, 1932.

Nisy Fahazavana lehibe nidina avy any an-danitra tonga teo amin' ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA tamin' ny fotoana Fanosorana azy ho Mpanjaka. Ary Fahazavana avo folo heny noho ny Fahazavan' ny masoandro niposaka avy any Atsinanana tamin' io fotoana Io.

Izany Fanosorana ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA izany dia tontosa erinandro mialoha ny Famindrana Zaka sy Famindra-pahefana ary ny Fanomezana ny Tehi-panjakana ho azy teo anivon' ny Fiombonambe TAMIMA.


5) Nanomboka ny 26 Septambra 2015, Ny Andriana Etienne RALITERA dia nanao ny Famindra-pahefana tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Docteur en Théologie, Mpanorina ny Fiombonambe TAMIMA, izay  Raiamandreny Filohan' ny Fiombonambe TAMIMA mandraka ankehitriny.

Teo anatrehan' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY sy ireo Andriandehibe Zokiolona fotsy volo, ireo Andriana Filohan' ny Fikambanan' Andriana eto Imerina Eni-Toko ary ny Ampanjaka Antemoro Anteony Ndrenogny Ramahasitrakarivo Martin avy ao amin' ny Lapa Fenovola Ivato-Vohipeno, ny Ampanjaka Mahafaly Lazamana, ny Ampanjaka Sakalava Zalifa Bente Salim, sy ny solontenan' ireo Ampanjaka avy any anindrantany manerana ny Nosy, no nanaovana izany famindra-pahefana izany.


6) Nanomboka tamin' ny Taona 1995 dia efa nisy ary misy hatrany ny Fihaonana manokana sy matetika amin' ny Ny Andriana Ndriana RABARIOELINA Lehiben' ny Fiombonambe TAMIMA 

miaraka amin'ireo Ampanjaka manerana an'i Madagasikara (Betsimisaraka, Bezanozano, Antambahoaka, Antemoro, Antefasy, Antesaka, Zafisoro, Betsileo, Bara, Antanosy, Antandroy, Mahafaly, Sakalava, Antakarana, ...) sy ny Sojabe Tsimihety ary ny Zokiolona Sihanaka, tahaka ny Fihaonana nataon'ireo razambe Mpanjaka sy Ampanjaka manerana ny Nosy Madagasikara, efa nandritra ny arivo taona maro, ho mariky ny Fihavanana sy ny Fifankatiavana ary ny Firaisankina.


7) Ny Andriana Etienne RALITERA, izay lasa Filoham-Boninahitra ny Fiombonambe TAMIMA, dia efa nihaona tamin' ny Prince Albert DE MONACO, ny Sekretera Jeneraly ny Firenena Mikambana Kofi ANNAN, ary ny mpandimby azy dia ny Sekretera Jeneraly ny Firenena Mikambana Ban KI-MOON.


 8) Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, izay nandimby azy, dia efa nihaona manokana tamin' ny MPANJAKA sy AMPANJAKA VAHINY mi-isa zato mahery sy efa nitarika ny Delegasiona Mpanjaka amin' ny firenena maro raha nihaona tamin' ny FILOHAM-PIRENENA VAHINY (Europe, Afrika, Asia, Amerika, Moyen-Orient) tany amin' ny firenena ivelan' i Madagasikara. 


9) Ny Tanjon' ny Fiombonambe TAMIMA dia :
- ny Fankatoavana an' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY.
- ny Fanamafisana ny Fihavanana,
- ny Fiarovana ny Firaisam-pirenena,
- ny Fikajiana ny Soatoavina sy ny Kolotsaina ary ny Hasina,
- ny Fanarenana sy ny Fampandrosoana, amin' ny lafiny rehetra, ny tanindrazana sy ny firenena manontolo izay nantsoin' Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany ho Fanjaka-Mpisorona sy Firenena Masina.


10) Ny Fianakaviamben’ ny Andriana Merina misy ireo Andriana Filoha na Andriana Zokiolona avy amin’ Fikambanan’ Andriana mijoro ara-dalàna sy ara-drazana eto Imerina, Ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, Ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, Ny Royal Academy of Sciences of Madagascar dia efa ao anatin’ ny Fiombonambe TAMIMA nanomboka ny Taona 2010. 

Ny Fiombonambe TAMIMA dia Fikambanana mijoro ara-dalàna ary manana Birao Foibe, Komity Foibe, Komitin' ny Zokiolona Roambinifolo. Ireo ihany no mikarakara ny raharahan' ny Fikambanana eto Madagasikara sy erantany. 


Koa raisina an-tanandroa hatrany izay Fikambanan'Andriana, mahafeno ny Fepetra, vonona hiditra ao anatin’ ny Fiombonambe ka mankatoa an’ Andriamanitra Andriananahary, mandeha amin’ ny Fahamarinana , tia tanindrazana, miaro ny Firaisankina ary vonona hampandroso ny firenena.

Masina i Madagasikara !


Dia Ho an'i ZANAHARY, ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, irery ihany ny Voninahitra !


Antananarivo, Vohitra Masina, faha-21 Aogositra 2017.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben’ ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara.